Songtexte.com Drucklogo

Rahoviana Indray Moa Songtext
von Mahaleo

Rahoviana Indray Moa Songtext

Rahoviana indray moa
No hifarana tokoa?
Rahoviana indray moa
No ho tapitra tokoa?
Ity ady tsy misy fiafarana
Mbola mampiady ireo fatram-pitana
Ny fandriampahalemana

Rahoviana indray moa
No ho foana tokoa?
Rahoviana indray moa
No ho levona tokoa?


Ity fijaliana eto an-tany
Mampikoriana ra sy tomany?
Eny, izany no mbola misy

Inona indray moa
Raha tsy matroka tokoa?

Ny lokon-danitra rehefa tohina ny fo
Rehefa mahatsiaro ireo namana
Fantatry ny maro fa voatantana
Ho any amin′ny fahafatesana

Iriko fatratra mba tsy ho fantatra
Ity hery izay manosika sy manery
Ny fontsika tsy hamindra fo
Ny tanantsika tsy hijanona ny hamono
Eny, izany no mbola misy!

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Beliebte Songtexte
von Mahaleo

Quiz
Wer ist auf der Suche nach seinem Vater?

Fans

»Rahoviana Indray Moa« gefällt bisher niemandem.