Songtexte.com Drucklogo

Zanako Vavy Songtext
von Mahaleo

Zanako Vavy Songtext

Handeha ianao ry zanako vavy
F′efa io ilay fanilon'ny andronao hoavy
Handeha ianao, andeha ka mahereza
Ny tokantranonao no iriko hateza

Ny masoko raha toa manganohano
Tsy tomanin′alahelo fa andon-tso-drano
Hifarana eto ny anay ny adidy
Lehibe ianao ka tompon-tsafidy

Handeha ianao lasan'iny olon'iny
Tsy fantam-pototra, mpandalo, mpivahiny
Handeha ianao, ianao r′ilay tsy sarako
Hanadino ahy, hanadino ny anarako

Aza mieritreritra fahasarotam-piaro
Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro
Fa izahay no tany naniriana
Mahararirary na tiana na tsy tiana


Andeha lala o o o andeha lala o
Mpindrana izahay fa tsy natao ho tompony
Andeha lala o o o andeha lala o
Ny mamy lasany fa ny anay dia ny fofony

Handeha ianao ry zanako vavy
F′efa io ilay hameno ny andronao hoavy
Handeha ianao, andeha ka matokia
Enga anie ka tsy ho sampona ny dia

Ny reninao aza avela hangina
Fa efa nisotro ny rano tsy tiana o o
Raha mibaliaka ny fitiavanao anio
Ireo nahary mba tsiditsidiho

Omeko anao ho anao ry tovolahy
Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy
Omeko anao f'izaho tsy ho sarotiny
Nefa mba amelao fitia potipotiny

Izahay tsy mitady valim-babena
Fa ny fitiavany no aza avela hihena
Fa raha tsy izany dia hahatsiaro ho kamboty
Toy ny mpamboly tsy afa-mioty


Andeha lala o o o andeha lala o
Voatery hangina na tsy mahafoy
Andeha lala o o o andeha lala o
Raha misy mahaory izy amin′izay no antsoy

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Beliebte Songtexte
von Mahaleo

Fans

»Zanako Vavy« gefällt bisher niemandem.