Songtexte.com Drucklogo

Nenina Songtext
von Mahaleo

Nenina Songtext

Efa tara loatra angamba
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina

Efa tery avokoa
Ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha

Lala ô inona ary
No mba azo atao
Zaza tsy fanary
Tsy fandao

Zakao ny sitrapo
K'aza mamoifo
Todio izy ireo
Ka jereo


Toa narian-dray sy reny
Nahatsiaro resy
Tsisy intsony ireo mpiteny
Ka fetsifetsy

Tonga ny fakam-panahy
Matetika ratsy
Vonjeo izy ireo ry lahy
Fa lany vatsy

Ampio izy ireo
Todio sy jereo
Fa mangata-maso
Sy mitoreo

Aza omena tsiny
Fa tsy mba niriany
Ny ho ety an-tany
Ka hitomany

Efa tara loatra angamba
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina


Efa tery avokoa
Ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Beliebte Songtexte
von Mahaleo

Fans

»Nenina« gefällt bisher niemandem.