Songtexte.com Drucklogo

Mihodinkodina Songtext
von Mahaleo

Mihodinkodina Songtext

Mihodinkodina leisy a
Ity tanintsika ity
Koa mahaiza fetsifetsy
Ndrao ialahy dia mikodia
Misy ambony, misy ambany
Fombany ihany io leiry ô
Izay mirodana aoka ho any
Hikorisa sy hikodia
Izay mirodana aoka ho any
Fa samy mazana ny aty


Tsy iza hono izy fa akama
Niara-niaina tam′ity
Tanaty fotaka malama
Tanaty trano fatim-by
Resabe avokoa
Ny tabataban-dry zalahy e
Mody hoe hanao soa
Kanjo hanaikitra an'ialahy
Mody hoe hanao soa
Kanjo hitsentsitra an′ialahy

Nony azony ny toerany
Mikarama volabe
Ny sakafonao no ferany
Izy anie ka be kilé
Eo ialahy vao midanaka
Hoe tena dadany ilay baka
Nefa ialahy efa voadaka
Lôvy tsy nahazo laka
Nefa ialahy efa voadaka
Fa lasan'olona ny laka

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Beliebte Songtexte
von Mahaleo

Fans

»Mihodinkodina« gefällt bisher niemandem.