Songtexte.com Drucklogo

Madagasikara Songtext
von Mahaleo

Madagasikara Songtext

Vavaka ho an′ny lanitra
Aoka izay ny kotroka
Vavaka ho an'ny tany
Atsaharo ny tomany

Ity hiranay ity mba hifankatia
Ity hiranay ity mba hiara-dia

Madagasikara, Gasikarako
Kolokoloy tsara io no lova soa


Ianao namako raiso ny tanako
Ianao rahalahiko iray lova amiko
Ny fiainana manahirana
Tsy aleo ve mba mifaly toy izay hifampijalijaly
Mifanao soa, tsindrio re ny fo
Mifanao tsara ho an′i Madagasikara

Avelao ny latsa fa maro ny asa
Avelao ny tsiny
Fa ety an-tany isika samy vahiny

Vavaka ho an'ny olona
Mba hifamelona

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Beliebte Songtexte
von Mahaleo

Quiz
Wer ist kein deutscher Rapper?

Fans

»Madagasikara« gefällt bisher niemandem.