Songtexte.com Drucklogo

Andro Ririnina Songtext
von Mahaleo

Andro Ririnina Songtext

Tsy ny fanananao harena
No hampiova ny fitiavako

Fa na misy na tsy misy volamena
Ianao no mba hany firavako

Ity foko efa tery
Feno fitiavana anao
Nahoana eh! no dia havela irery
Moa va tsy mendrika anao?

Na ny masoandro aza aki eh!
Tsy mamiratra noho ianao
Maizimaizina ny aty eh!


Raha toa ka hilaozanao

Feno rahona ny lanitra
Rava ny faniriako
Naleonao nangarika
Toy izay hanatrika ny hakiviako
Lasa ianao toy ny andro ririnina
Nitondra tsitra tsy taratra
Izaho kosa mitomany toa zaza nariana Irery tratra andro fahavaratra

Tsy ny helanelan-tany
No hanova izato foko
Eny na dia lavitra ihany
Ianao no ho tsarovako

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Beliebte Songtexte
von Mahaleo

Quiz
Whitney Houston sang „I Will Always Love ...“?

Fans

»Andro Ririnina« gefällt bisher niemandem.