Songtexte.com Drucklogo

Aza Hitserana Songtext
von Mage 4

Aza Hitserana Songtext

Tonga teto ianao nilaza
Fa nahita ilay fitia
Ilay nirinao hatrizay hatrizay
Mba faly anie aho
F′angamba ho sambatra amin'izay ianao
F′ilay fitia teto amiko angamba tsy ampy
Ny alahelo tanatiko tao
Nafeniko tsy ho hitanao
Leferiko ilay hany hasambarako

Fa raha sendra mandalo mamangy any aho
Ka maso manganohano no hitanao
Raha mijery anao aho tsy sahy ka tsapanao
Fa toa mafy izany adim-panahy
Aza itserana akory aho
Rehefa sambatra ianao ampy izay


Niala teto ianao
Fo mangaina sisa navelanao mba ho ahy
Fa tsy ho ahy ianao fa niova fitia vaovao
Ny alahelo tanatiko tao nafeniko tsy ho hitanao
Leferiko ilay hany hasambarako

Fa raha sendra mandalo mamangy any aho
Ka maso manganohano no hitanao
Raha mijery anao aho tsy sahy ka tsapanao
Fa toa mafy izany adim-panahy
Aza itserana akory aho
Rehefa sambatra ianao ampy izay

Fa raha sendra mandalo mamangy any aho
Ka maso manganohano no hitanao
Raha mijery anao aho tsy sahy ka tsapanao
Fa toa mafy izany adim-panahy
Aza itserana akory aho
Fa raha sendra
Mandalo mamangy any aho
Ka maso manganohano no hitanao
Raha mijery anao aho tsy sahy ka tsapanao
Fa toa mafy izany adim-panahy
Aza itserana akory aho
Rehefa sambatra ianao ampy izay

Ampy izay

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Quiz
Wer besingt den „Summer of '69“?

Fans

»Aza Hitserana« gefällt bisher niemandem.